Kandidà Andrianainarivelo Hajo: “Nopotehin’ny mpitondra ny Andrimpanjakana”

Nahitsy ny kandidà, Andria­nainarivelo Hajo, tao amin’ny fahitalavitra TV5 Mon­de, manoloana ny fiainam-pirenena. ”Very hasina ny sata repoblikana noho ny fanitsakitsahana ny Lalàmpa­norenana sy ny lalàna velona”, hoy izy. Noraisiny ho ohatra ny fanelingelenana mba tsy ho tratry ny fitsipaham-pitokisan’ireo depiote maro anisa ny praiminisitra. Ny fanomezana fahefana vonjimaika ny governemanta rehefa voatery nametra-pialana tsy ho filohan’ny Re­pobli­ka, Rajoelina Andry. Tokony ho ny filohan’ny Ante­nimi­eran­doholona no hitantanana ny firenena. “Nisehoana teritery ary kajikajy politika io fanomezana laka ny governemanta io”, hoy izy. Hita mibaribary koa ny fitanilan’ny go­vernemanta tsy ara-dalàna. Misetrasetra sy mampiasa hery famoretana amin’ireo kandidà sy ny mpanara-dia azy ireo, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, nangataka ny zom-pirenena frantsay ny filoha teo aloha nefa mbola nitondra ny Tetezamita, sady filoha faratampon’ny Foloalin­dahy. ”Tsy fanarahana ny etika sy ny fenitra momba ny moraly izany amin’ny toerana misy azy”, hoy ihany izy. Na­hatonga azy kandidà miisa 11 niara-dia sy hijoro ho amin’ny fifidianana tsy mitanila izany, araka ny nambarany hatrany.
Nambarany fa maro koa ny fitarainana momba ny fa­na­pahan-kevitry ny HCC sy ny Ceni. Mila diovina ny tontolo politika vao miroso amin’ny fifidianana mba ho eken’ny rehetra ny vokatra.

Synèse R.

Partager sur: