Kandidà Andry Rajoelina : “Manaja ny ara-dalàna isika!”

Manamafy ny fanajana ny ara-dalàna ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Mitohy ny fampielezan-keviny. Ao Boriziny izy anio, any Fianarantsoa, rahampitso.

«Tsy tokony hahemotra 16 novambra izany ny fifidianana fa isika izao efa mandeha. Isika efa vonona ary mandeha mafy sady i Andry TGV… Misy kandidà sasany any manakorontana sy tsy vonona ary matahotra antsika noho isika tian’ny vahoaka sy i Mada­gasikara ka manontolo araka izao hitantsika izao», hoy ny kandidà Andry Rajoelina, oma­ly, tany Ambanja, manoloana ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Manamafy kosa anefa izy fa manaja ny ara-dalàna. Mitohy rahateo ny fitetezam-paritra izay ataony hoenti-mandresy lahatra ny mpifidy mba hanohizana miaraka ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nambarany ombieny ombieny amin’ny lahateny izay nataony fa ho vaindohan-draharahany ny fitsinjovana manokana ny va­hoaka malagasy. Misy hatrany ny fitanisana ny zava-bita sy ny fampahafantarana ny tetikasa hovitaina mba hositrahin’ny mponina eny ifotony. Anisan’ ireny ny fanampiana ny sahirana sy ny tanora tsy an’asa ary ny vehivavy . Hisitraka herinaratra koa ny ao Ambanja. “Hi­tondra ny fahazavana hanala ny haizina isika”, hoy izy. Nan­teriny fa efa vita hatrany amin’ny 70% ny lalam-pirenena RN6, mihazo an’Antsiranana.

Tsy miova
Tsiahivina fa navoakan’ny HCC, omaly, ny didy fanemorana ho amin’ny 16 novambra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana. Antony, ny fangatahan’ny kandidà Rao­belina Andry. Ity farany izay naratra ka tsy afaka miasa mandritra ny 30 andro.
Notazomina kosa ny datin’ny 20 desambra hanatanterahana ny fihodinana faharoa. Nitarina herinandro izany ny fampielezan-kevitra, ka hifarana amin’ny 15 novambra. Efa voafaritry ny lalàna ho 30 andro ny faharetan’ny propagandy ho an’ny fifidianana filoham-pirenena.

Synèse R.

Partager sur: