Mijaly rano Antananarivo. Vidiana hatrany amin’ny 1 500 Ar ny rano iray bidon mavo. Ny andro mafana dia mafana kanefa ny rano tsy misy. Fahoriana ity!
Tsy misy tsy mitaraina amin’ny fahatapahan’ny rano ny tanàna maro eto Antananarivo sy ny manodidina, indrindra ireo amin’ny faritra ambony toerana. Efa ho iray volana ny fahatapahana ho an’ny toerana sasany, toy ny eny Ankadifotsy, Ambondrona, Andohalo, Ambohimanarina sy ny Antehiroka, Ivato.
Teo aloha, mandeha ihany ny rano amin’ny alina manomboka amin’ny 10 ora alina hatramin’ny 4 ora maraina. Nanomboka nisian’ny fahatapahan-jiro isan-kalina mandra-maraina kosa dia tapaka tanteraka ihany koa ny rano. Mijaly ny mponina amin’ireo toerana ambony. Tsy misy intsony na ny rano angonina aza.
Tsy maintsy milahatra eny amin’ireo tanàna misy paompim-pokonolona mandeha mitady rano. Amin’ny 2 ora maraina dia efa manomboka milahatra noho ny hamaroan’ ny olona. Amin’ny kilaometatra mihitsy anefa ny elanelan’ ny toerana.
Voatery mividy rano amin’ireo mpikarama mpantsaka ny ankohonana tsy misy rano.
Manodidina ny 300 Ar ka hatramin’ny 1 500 Ar ny rano iray bidon mavo amin’ny 20 litatra. Arakaraka ny halaviran-toerana, indrindra raha miaka-piakarana no tsy maintsy hanaterana ny rano dia miakatra toy izay ny vidiny.
“Tsy maintsy atao ny fitsitsiana, indrindra ny sasa lamba. Izay rano ivelomana amin’ny sakafo sy sotroina sisa no tena vidiana fa tsy maharaka ny vola. Ny andro migaina, mila misotro rano matetika, mila mandro matetika kanefa izany no iainana. Fijaliana ny an’ireo manan-janaka kely tsy maintsy manasa lamba isan’andro”, hoy i Berthine, renim-pianakaviana.
Ny tena mampanahy ny mponina dia ny fitakiana ny vidin-drano mihoapampana hatrany na dia efa tsy misitraka rano ara-dalàna intsony aza efa ho iray volana izao.
Tatiana A




