INDRAY MIJERY

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny habantseranana amin’ny fanafarana avy any ivelany ny pasipaoro miisa 22 000. Torak’izany ny fanafarana fitaovana entina hametrahana ny laboratoara de Science médico-légal numérique (digital forensic laboratory).
Ho an’ny minisiteran’ny Mponina, tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ihany koa ny fandraisan’ ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny habantseranan’ireo kaontenera 50, mitondra fanomezana ho an’ireo ankizy sahirana manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny tetikasa « Ankizy Krismasy ».
Nampidirana rano ireo sekoly manana trano fivoahana nefa tsy misy rano ao amin’ny Cisco Ambanja, Dren Diana, tamin’ity herinandro ity. EPP miisa 10 no misitraka izany : EPP Antranokarany, EPP Mangabe, EPP Ambalahonko,… EPP Ambolikapiky, Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny ONG Helvetas sy ny “Écoles Amies de WASH ” no nahazoana nanatanteraka ny tetikasa.
Misolotena ny governemanta malagasy any Goa Inde, ny tale jeneralin’ny BNGRC sy ny teknisian’ ny BNGRC, amin’ny fanazarantena fanaon’ny governemanta indianina momba ny fanampiana amin’ny maha olona sy famonjena amin’ny voina, eo amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izay maharitra telo andro.

Partager sur: