Justice et Paix : “Aoka hampizorina araka ny tokony ho izy ny fifidianana”

«Aoka ny tomponandraikitra misahana fifidianana hanao izay rehetra hampizotra izany araka ny tokony ho izy sy tsy mitanila», hoy ny fanambaran’ny vaomieran’ny Eveka misahana ny fahamarinana sy ny fiadanana, novakin’ny sekretera jeneraly, ny pretra Ran­drianasolo Sata Jean-Noël, omaly, tetsy Antanime­na. Ny fanamafisana ny de­mokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna mampanjaka ny fahamarinana sy ny rariny, ka mampisy fampandrosoana ho an’ny rehetra dia mitaky fifandimbiasana demokratika mipoitra avy amin’ny fifidianana mangarahara andraisan’ny rehetra anjara.
Ny tomponandraiki-panjakana dia tsy mitanila na hanome vahana na iza na iza. Ianareo mifaninana amin’ny fifidianana kosa dia tsy hijery afa-tsy ny soa iombonana, ka tsy hifampihantsy na hanafintohina ny fiainam-bahoaka na hitarika fankahalana sy fizarazarana eo amin’ny samy mpiray tanindrazana amin’ny endriny maro. Fa ho modely amin’ny fampivondronana, fampihavanana, fanarahan-dalàna, fanajana ny zo aman-kasin’ny tsirairay izy ireo. Na amin’ny teny atao izany na amin’ny ohatra omena.
“Entanina isika vahoaka handala mandrakariva ny fiombonana, ka tsy hiraviravy tanana fa handray andraikitra feno ka hanavitra ny fankahalana sy ny fifampihantsiana ary ny herisetra”, hoy ny fa­nambarana.

R. Nd.

Partager sur: