Nitohy tao Port-Bergé indray omaly, ny fihaonan’ny kandidà laharana fahatelo amin’ny vahoaka. Tsy nahasakana izany ny hafanana hatrany amin’ny 37° any an-toerana.
«Porofon’ny fitiavan’ ny vahoaka an’i Andry Rajoelina izany ary i Andry Rajoelina koa tia ny vahoakan’i Port- Bergé… Tanjontsika ny hanova tanteraka ny fiainan’ny vahoaka, indrindra isika eto Port-Bergé amin’ny fotoam-piasana manaraka eo”, hoy izy. Notanisainy hojerena manokana amin’izany ny tanora sy ny famoronana asa ho azy ireo, ny vehivavy sy ireo fikambanam-behivavy, ary ireo olona marefo.
Notsiahiviny tamin’izany fa nahazo 68% tany Port-Bergé, i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana 2018. Antenaina fa hiakatra io salanisa io amin’ny 9 novambra, araka ny nambarany.
Voatsiahy tamin’izany ireo fotodrafitrasa marobe natsangana sy ny an-dalam-pahavitàna. Anisan’izany ny lycée, ny CEG ao an-tampo-tanàna, mahazaka mpianatra 1 200, ny EPP maro. Ny kianja manara-penitra, natolotry ny kandidà Andry Rajoelina tamin’ny fomba ofisialy ho an’ireo tanora, omaly. Eo koa ny lalana, ny “Parc solaire” hiadiana amin’ ny delestazy. Etsy andaniny, anisan’ireo distrika nahazo tombony manokana tamin’ny fitondrana Rajoelina i Port-Bergé eo amin’ny lafiny fampianarana. Nisitraka “Kits scolaires” ireo mpianatra sy ireo mpampianatra Fram, tafiditra mpiasam-panjakana.
Efa tontosa hatrany amin’ ny 80% ny fanamboarana ny oniversité an’i Port-Bergé raha mandranto fianarana any Mahajanga na Antananarivo ireo tanora. Nahazo tohana koa ireo mpanao fanatanjahantena amin’ny fanamboarana ilay kianja manara-penitra. Efa andalam-pahavitana 80% koa ny gymnase. “Tsy ho mena-mitaha amin’ireo tanàn-dehibe hafa manerana ny Nosy i Boriziny rehefa tontosa soa aman-tsara avokoa ireo fotodrafitrasa ireo”, hoy izy.
Synèse R.




