Mahatonga saina ny zava-niseho omaly, teny Ampasampito. Ny samy olombelona no zary miady sy mifandramatra fa tsy ny hevitra intsony. Aiza ve ka tonga hatramin’ny fananganan-tsandry. Toe-java-misy tsy mifanaraka velively amin’ny Malagasy sy ny hodidina iainana ankehitriny.
Politika no hatao, tsy tokony ho tonga hatrany amin’ny fandatsahan-dra na fifandratrana.
Tsy azo ekena ny fihetsika mamoafady tahaka ireny, izay mety hanakorontana zavatra maro. Indrindra ny fitadiavana vahaolana hoenti-mandrindra izao savorovoro sy fifandroritam-pahefana misy ankehitriny izao.
Tandindonin-doza ilay fiaraha-monina. Mila fahamailoana avy amin’ny tsirairay ny fivoaran’ny raharaha. Tsy ianteherana ny mpitarika politika izay mazava ny tanjony: izy aloha. Ny isam-batan’olona no mila maka ny andraikitra tandrify azy, ho an’ny tenany sy ny taranany, ary ny taninjanaka. Samy manavotra ny tenany any anaty kajy maloton’ny politisianina.
Malalaka ny safidy amin’ny firehana arahan’ny olom-pirenena. Tsy misy teritery io! Na hifidy na tsy hanao. Afaka misafidy ny amin’ny loko na ho mena valala, na ho volomboasary, na mavomavo, na mangamanga. Ny fanahy maha olona no aza amidy amin’ny vola na noho ny fitiavana diso toerana.
Tsy fotoan’ny hafanam-po tsy voalanjalanja izao ho an’ny mpifanandrina politika. Ny lehibe matetika mifanaraka hatrany rehefa samy leo na efa samy mahatratra ny tiany hahatongavana. Tsy tokony hisy intsony olona ho sorona na hanaiky ho fitaovana politika. Tsy any … ny lalana tompoko!
Fotoana izao hijoroana ho amin’ny tena fitiavan-taninjanaka. Anisan’ny lalan-tokana hanehoana izany ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fifidianana demokratika.
r.r