« Jôkôsô- Festival du rire »: manana ny hoaviny ny hatsikana malagasy

Malagasy mpanao hatsikana miray, no anisan’ny tanjon’ny “Jôkôsô-festival du rire”. Tsy nisalasala ireo voasokajy ho zokiny sy matihanina nizara ny fahaiza-manaony tamin’ireo vao misandratra, ho an’ny ho avy mamiratry ny hatsikana malagasy.

Nifarana ny faran’ny herinandro teo, ny hetsika “Jôkôsô- festival”, andiany faha 3. Malagasy sy vahiny mpanao hatsikana miisa 32 no niantoka ny fampihomehezana nandritra ny telo andro nanatanterahina ity hetsika lehibe ity. Azo lazaina ho tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara. Ankoatra ny maha hetsika hatsikana azy ity, nametraka tanjona ny hampiraisana ny Malaga­sy mpanao hatsikana ny mpikarakara, teo am-pamolavolana izao hetsika lehibe izao. Niray fo ary tena naneho ny maha iray azy tokoa ny Mala­ga­sy mpanao hatsikana teo am-panatanterahana ny hetsika.
Fampisehoana, asa sosialy, atrikasa, fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao. Izany rehetra izany no namenoan’ny mpikarakara ny fandaharam-potoan’ny “Jôkôsô-Festival du rire” andiany fahatelo. Raha ny tamin’ny faran’ny herinandro teo, nitafa sy nizara ny fahaiza-manaony teo amin’ny sehatry ny hatsikana i Goth­lieb. Fampisehoana goavana nandraisan’ireo mpanao hatsikana kosa no namaranana azy ny tolakandron’ny sabotsy 14 oktobra 2023, teny amin’ny Plaza Ampefiloha.
Taratra sahady ny hoavin’ny hatsikana malagasy, raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao no jerena. Mana­na talenta amin’ny fanaovana hatsikana ary mahafehy izany ireo vao misandratra na dia mbola fo­toana vitsy ihany aza no nise­harany teo amin’izany. Izany indrindra no mahavelombolo ny rehetra ny amin’ny fahazoana antoka ny hoavin’izany hatsikana malagasy izany. Nanaovana antso avo, indrindra ireo efa voa­sokajy ho zokiny eo amin’ny hatsikana kosa anefa ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy eo amin’ity sehatra ity. Raha tsiahivina, iray ihany ny Mala­gasy vavy mpanao hatsikana nandray anjara tamin’ity hetsika ity.

Lin

Partager sur: