Namoaka fanambarana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, omaly. Nohamafisin’ izy ireo ny maha zava-dehibe ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny fifanatonan’ny ankolafy rehetra.
Nambaran’izy ireo tamin’izany ny ahiahiny amin’ny fivoaran’ny tontolo politika ifandroritana eto amintsika. Nanterin’ireto avy amin’ny iraisam-pirenena ireto ny maha zava-dehibe ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny fahalalahana maneho hevitra ary koa ny fahafahana mivory an-kalalahana. Notsindriny fa itovian’izy ireo fijery amin’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny zon’olombelona ny ahiahy amin’ny fampiasan-kery tsy mifandanja amin’ny fanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana avy amin’ny mpanohitra. “Mampirisika hatrany ny ezaka ho amin’ny fifampiresahana, mety hitondra vahaolana azo tsapain-tànana, hamerenana ny fahatokisana ny zotram-pifidianana sy hampahomby ny fifidianana izahay”, hoy ihany izy ireo.
Fahalalahana
Nambaran’ireto fianakaviam-be iraisam-pirenena ireto fa voarain’izy ireo ilay daty fanemorana ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany. “Fanirianay ny hampifanaraka ny zotram-pifidianana amin’ireo fenitra iraisam-pirenena. Izany hoe, mangarahara, azo antoka, andraisan’ny rehetra anjara ary am-pitoniana”, hoy izy ireo.
Nohamafisin’ny fanambarana ny maha zava-dehibe ny fiantohana ny fahalalahan’ireo kandidà hivezivezy, ny fahalalahan’ny fivoriana am-pilaminana, ary ny fampitovian’ireo manam-pahefana sy ny haino aman-jerim-panjakana ireo mpilatsaka hofidina ary ny hiantohana voka-pifidianana eken’ny rehetra.
Synèse R.
Ireo nanao sonia ny fanambarana : Ny delegasion’ny Vondrona eoropeanina (UE); ny solontenan’ny Frankofonia (OIF), ny masoivohon’i Alemana, Korea, Etazonia, Japon, Frantsa, Royaume-Uni ary i Soisa.




