Filohan’ny Ceni : “Vonona hatrany amin’ny fifidianana izahay”

Vonona hatrany ny Ceni, na hatao amin’ny 9 novambra na amin’ny 16 novambra ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Da­ma Arsène, teny Alarobia, omaly. Nohazavainy fa araka ny fanapahan’ny HCC, mihemotra amin’ny 16 novambra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana. “Tsy manana fahefana hanemotra fifidianana ny Ceni, fa ny manolotra soso-kevitra amin’ny voalohany ihany rehefa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika”, hoy izy. Voalaza amin’ny And. 52 amin’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana fa misy antony manokana tsy azo anoarana no ahazoana manemotra fifidianana.
Efa vonona ny lisitry ny mpifidy, nofaranana tamin’ny 20 jolay. Efa nanaovana fitsirihana izany. Na ny avy eto an-toerana na ny fiombonana iraisam-pirenena no nanao azy, efa samy nankato ny lisitry ny mpifidy. Nisy ny mpitsirika avy amin’ny mpanohitra tamin’izany. Efa namboarin’ny Ceni avokoa ny fanitsiana rehetra notakin’ny an-toerana na avy any ivelany. Efa mihoatra 63% ny karatry ny mpifidy efa azon’ny tompony. Araka ny fangatahan’ny antoko mpanohitra, efa nampidirina ao anatin’ny “dis­que dur externe” ny antoantan-kevitra sy ny antontanisa mom­ba ny lisitry ny mpifidy. Efa misy ny antoko naka ny anjarany, raha tsy mbola naka ny azy ny antoko nangataka izany.

R. Nd.

Partager sur: