Raikitra ny savorovoro tao Andohan’Ilakaka, taorian’ilay vono olona nahatsiravina natao an’ilay renim-pianakaviana, ny alarobia teo. Omaly, nirohotra nihazo ny tobin’ny zandary ao an-toerana ny fokonolona nitaky ny hamoahana ilay lehilahy voalaza ho namono azy. Niely tao an-toerana mantsy fa voasambotry ny zandary ilay rangahy, antony nahatonga ny fokonolona saika hanao fitsaram-bahoaka azy. Tsy marina anefa ilay filazana fa ao amin’ny zandary ilay nahavanon-doza. Etsy ankilany, nifampiresaka tamin’ireo fokonolona ny mpitandro filaminana. Voafehy nanaraka izay ireo mponina ka nilamina ny raharaha. Hatreto, mbola karohina ity lehilahy namono vady ity.
Tsiahivina fa maty nodarohiny fanoto ny loham-badiny ka maty tsy tra-drano. Tonga tao Ambalafary, kaominina Andohan’Ilakaka, ny talata alina teo ireo ankohonana efa-mianaka ireo. Nipetraka tamin’ny rahavavin’ilay vehivavy maty izy ireo tamin’io fotoana io. Ny alarobia tolakandro anefa, nifamaly ilay renim-pianakaviana 21 taona io sy ny vadiny. Naheno izany ilay rahavaviny, saingy nandeha nanohy ny asany andavanandro. Akory anefa ny hatairany raha nahita ilay rahavaviny nihoson-dra tsy nisy aina intsony. Voadaroka tamin’ny fanoto izy ka maty tsy tra-drano. Ilay vadiny kosa nandositra avy hatrany taorian’ny asa ratsiny. Voalaza fa hasarotam-piaro no antony nahatonga ny disadisan’ireo mpivady. Saika hanatitra ireo zanany any amin’ny rafozany taloha mantsy izy, saingy niafara tamin’ny zava-doza ny raharaha.
Henintsoa H.