Loza ity hoy Rainimanonja! Tonga any amin’ny fifamonoana ny samy Malagasy madinika. Tsy tandindonin-doza intsony ilay fiarahamonina fa mirona any amin’ny fifandratrana sy fanimban-javatra. Misy ny maratra isan’andro. Tsy misy manaiky lembenana amin’ny fanehoan-keviny. Mifandrefy hery amin’ny daroka sy vely kibay. Ny tena marina, samy niandry « action » na ny andaniny na ny ankilany. Tsy ampy intsony ny kabary sy fandresen-dahatra fa daka sy totohondry izao no metimety amin’izy ireny.
Mampanahy ny fivoaran’ny toe-draharaha satria baikoan’ny fitiavantenany sy ny fitiavan-tseza ny mpanao politika eto Madagasikara. Tsy misy afaka ny hitompo teny fatratra hoe tia tanindrazana sy mitsinjo vahoaka izany. Miaro ny rambony tsy ho tapaka izy ireo. Milaza ho demokratika avokoa fa olon’ny terivaimanta. Milalao ny faharefoan’ny Malagasy mba hivadika herijika handrombahana na hamikiram-pahefana.
Homen-tsiny ary ve ny mpanao politika ? Mazavabe fa manana andraikitra goavana izy ireo. Saingy…Tsia ! no valiny. Safidy ny an’ireo vahoaka marobe manaraka ny mpifanandrina politika, ankehitriny. Samy manana ny antony hitolomany sy hanarahany firehana iray olom-pirenena tsirairay. Baikoin’ny filany manokana, entanin’ny fitiavan-tanindrazana, mety ampirisihan’ny fankahalana olona, misy aza ny ory hava-manana ankitsirano. Santionany ireo ka tsy hanenjehana na hanomezan-tsiny an’iza na iza. Samy mizaka ny vokany, araka izay.
Manoloana izany, mila mitandrina ombieny ombieny ny mpiantsehatra rehetra anatin’izao krizy izao. Izay nandrehitra ny afo, mety ho may. Izay mamboly korontana, hizaka ny vokany. Ireo mpanara-drenirano, tsy sanatria ho maty an-drano tsy amin’ny antony. Mitaky fahatsapan-tena ny toe-javamisy. Tsy an-dohalika intsony ny ranom-bary fa efa mandifotra an-dRamalagasy !
r.r