Tsy misy tsy mahay ny hirany. Anisan’ireo nitondra aim-baovao ho an’ny fitoriana ny Filazantsara an-kira teto Madagasikara ny pasitera Andriamiadanarivo Rahagalahy, fantatry ny maro amin’ny hoe Pasitera Rahaga.
Araka ny efa notaterina teto, nodimandry ny alatsinainy, teo amin’ny faha-68 taonany ity mpitandrina sady mpamoron-kira no mpihira ity. Efa fotoana elaela no re fa tsy dia salama izy, ary nandalo fitsaboana naharitra.
Niraradraraka ny fanehoana alahelo, niaraka tamin’ny fanomezam-boninahitra satria dia maty namela mamy ny pasitera Rahaga. Tsy teo amin’ny sehatry ny fiangonana amin’ny maha mpitandrina azy ihany, fa indrindra koa eo amin’ny sehatry ny hira ara-pilazantsara. Izy no mpitarika ny Ny Mpitory, izay nametraka dian-tanana tsy hay kosehina eo amin’ny tantaran’ny fitoriana ny Filazantsara an-kira. Izy ireo mantsy no nihira ny Fihirana Fanampiny, izay nivoaka ho kasety andiany maromaro tamin’izany fotoana. Anisan’ ny hira nanamarika ny mpino maro ao amin’ny Fihirana Fanampiny ny « Faniriako », noforonin’ny pasitera Rahaga. Nialoha izany, efa nalaza ny hirany nataon’ny Ny Mpitory, toa ny « Na tsiky na tomany », « Raha sitrakao », sns.
Maro ireo mpanakanto niara-niasa sy novolavolain’ny pasitera Rahaga. Samy naneho izay maha mpamoron-kira tsy manam-paharoa azy izay rehetra nanao ny fanomezam-boninahitra ity andrarezina ity. Maro toa izany koa ireo nahatsiaro ny fizarana izay fanaony, indrindra tao anatin’ny « Tsaboy izy », fandaharana notontosain’ny pasitera Rahaga tao amin’ny onjam-peo Fahazavana.
Nandrasana tao amin’ny Fjkm Ambondrona Firaisana, izay nitandremany an-taonany maro ny pasitera Rahaga. Hiala ao aorian’ny fotoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ,amin’ny 1 ora sy sasany, ka halevina eny Ambodihady ny nofo mangatsiakany.
Nangonin’i Zo ny Aina