Fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana sy fanomezana aina ny haisoratra. Havàtsa-Upem, mandia ny faha-71 taonany. Hisy ny fanomezan-danja ny mpanoratra sy ny asa soratra…
Hanomboka ny talata 24 oktobra izao, ao amin’ ny Tranombokim-pirenena, ny «Herinandron’ny Havàtsa-Upem» 2023. Lohahevitra lehibe amin’izany ny «Velona, ho velona ny haisoratra. 71 taona nanavàtsa». Maro ireo hetsika hotontosaina ao anatin’io herinandro io. Ny 24 oktobra ka hatramin’ny 28 oktobra, ho hita tsy tapaka eny an-toerana ny fampirantiana momba ireo mpanoratra taloha sy ireo am-perim-panoratana. Ireo mpanoratra ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Varotra boky. Fanehoana ireo boky vaovao. Serasera mivantana amin’ireo mpanoratra ankehitriny.
Samy hanana lohahevitra miavaka kosa ny andro tsirairay. Talata «Manomboka», tafa miaraka amin’ireo mpanonta boky. Antsa sy seho an-tsehatra. Alarobia «Miverina», tohizana ny antsa. Tafa amin’ ireo mpanoratra am-perim-panoratana. Alakamisy «Manavàtsa», fanohizana ny natao talata sy fanatanterahana antsa sy seho an-tsehatra. Zoma «Misampana», hanohizana ny natao ny talata sy ny seho an-tsehatra miaraka amin’ny sampana. Sabotsy «Mifandray», sehatra iarahana amin’ny fikambanana mira tanjona sy ireo namana anatin’ny haisoratra. Fivelaran’ny havàtsa-Upem ho fanehoam-pihavanana sy firaisan-kinan’ ny samy poety sy mpanoratra.
Anisan’ny hetsika manan-danja eo amin’ny tontolon’ny haisoratra ny «Herinandron’ny Havàtsa-Upem» noho ny fisian’ireo fihaonana maro ao anatin’ny fandaharam-potoana. Singanina amin’izany ny mpianatra. Omen’izy ireo lanja lehibe ny fifampiresahana amin’ny mpanoratra tonga eny an-toerana.
HaRy Razafindrakoto