Vanga : hofakafakaina ny « Resadresak’i Thomas Sankara sy ED Andriamalala »

«Resadresaky ny andrarezina», hoy ny fampahafantarana. Maneho ny fifaneraserana nisy teo amin’i Thomas San­kara, filoham-pirenen’i Burki­na Faso teo aloha, sy ny Malagasy mpanoratra, Emil­son Daniel Andriamalala, iza­ny. Hofakafakain-dRandria Solofonantenaina Mika na i Vanga, mandritra ny hetsika «Bar à livres», hotontosaina eny amin’ny Le Park Bemaso­andro Itaosy ny lohahevitra, ny sabotsy 21 izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
Araka ny sombim-panazavana, nandranto fianarana taty Madagasikara, tao amin’ ny sekoly miaramila Antsira­be, i Thomas Sankara. Nana­na fifandraisana akaiky tamin’i E.D Andriamalala izy tamin’ izany, fony ito farany nanana andraikitra ambony tao amin’ ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena tamin’izany fotoana izany. Voalaza fa voasariky ny asa soratr’i E.D Andriamalala ity filohan’i Burkina Faso teo aloha ity. Nandalina ny haipolitika, ny haifambolena ary ny teny frantsay taty Madagasi­kara i Thomas Sankara. Niaina ny hetsi-bahoaka ny taona 1972 izy. Maty nisy nitifitra ny 15 oktobra 1987 ity filoham-panjakana ity, ka ho fahatsiarovana azy no hitondrana ny famakafakana.
Hetsika fanao isaky ny sabotsy fahatelon’ny volana, ao amin’ny Le Park Bema­soandro ny “Bar à Livres”. Hifaneraseran’ny mpankafy, mpandalina, mpanoratra sy ireo liana amin’ny literatiora izany. Misy ny fizarana fikarohana sy fitondrana famakafakana, toa izay efa nataon’i Vanga ihany, mahakasika an’i Randja Zanamihoatra..

Zo ny Aina

Partager sur: