Aft Andavamamba: hiditra amin’ny andiany faharoa ny « Festival des livres « Thrillers »

Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antana­na­rivo (Aft Andavamamba), ma­nomboka rahampitso ha­tra­min’ny 31 oktobra 2023, ny « Festi­val des livres « Thril­lers » andiany faharoa. « Les monstres littéraires » no lohahevitra noraisina amin’izany. Hetsika lehibe hanehoana ireo haikanto maro samihafa mampatahotra. Anisan’izany ny rantin-tsary, teatra, lalao sy fi­faninanana, atrikasa ary fihaonana sy fifampizarana. Tanjo­na ny hametrahana itony ka­razana sy sokajina haikanto itony amin’ny toerana tokony hisy azy.
Hiavaka kely ny hetsika “Festival des livres “Thrillers”. Raha tsiahivina, miditra amin’ ny andiany faharoa amin’ity taona ity izy io. Araka ny na­moronana azy tany amboalohany, hita mandritra izany ny rantin-tsary hanehoana ireo mpilalao sy seho an-tsehatra somary nampatahotra tao anatin’ireny tantara an-tsary ireny. Anisan’ny ho hita ao ihany koa ny teatra “Tonokira fanajana ny maty”, nosoratan’i Avelo Nidor, sy ny “Le mystère d’octobre”, iarahana amin’ireo sangany avy amin’ny CNTF. Ho hita mandritra ny hetsika ihany koa ny lalao “Trimobe”. Hisy ihany koa ny fifaninanana “Questions pour un lecteur”, natokana ho an’ny mpamaky boky “Stephen King”. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny atrikasa fanaovana sary sy famoronana.

Lin

Partager sur: