Nanodinkondin-jaza : Pasitera nogadraina !

Notanana am-ponja vonjimaika ny pasitera avy amin’ny fiangonana iray. Nampangaina ho nanodinkondin-jaza tsy ampy taona izy.

Tomponandraikitra ao amin’ny sekolim-pinoana iray, ao amin’ny kaominina ambanivohitr’An­dasi­be, distrikan’i Vavatenina, ity pasitera naiditira am-ponja ity. Mpianatra kilasy fahadimy no voalaza ho nahodinkodin’io pasitera io tamin’ilay ankizy 14 hatramin’ny faha-15 taonany. Nipetra-drery nanofan’ny ray aman-dreniny trano tany an-toerana noho ny fiaviany lavitry ny sekoly io mpianatra io. Nanararaotra nampihatra ny filany tamin’izany ilay mpitondra fivavahana. Tsikaritry ny fianakavian’ilay zazavavy anefa io fomba ratsin’ingahy Pasitera io. Notorian’ireto fa­rany izy. Nosamborina ilay tom­ponandraikitry ny fianarana. Noraiketin’ny fitaovam-pitahirizana feo avokoa ny resaka nifanaovan’io lehilahy io sy ilay ankizy niharan’ny fanararaotana.

Notolorana vola 15 000 Ar

Niaiky heloka noho ny zavatra nataony ilay pasitera rehefa nofotopotorin’ny mpanao fanadihadiana. Nentiny tamin’ny toerana mangingina, anaty ala, hatrany io ankizy mpianatra io, nandritra ny herintaona. Voarakitra anatin’ny “carte SD” nindramin’ny namany fa manome vola 15 000 Ar ho an’io ankizy io isaky ny avy manao ny filan-dratsiny ity pasitera ity. Niakatra teny anivon’ny fampanoavana, sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, tao Fenoarivo Atsinanana ny raharaha. Niafara amin’ny fihazonana am-ponja vonjimaika an’ilay pasitera voapanga izany.

Sajo

Partager sur: