Nidina an-dalambe hatrany ny kandidà 11, omaly. Tsy niraharaha izay lalàna na fepetra noraisin’ny prefektiora izy ireo. Tsy vitan’ny namory vahoaka fa nidina an-dalambe mihitsy. Mitaky fanavaozana saingy mijoro ho tsy manaja lalàna. Mandrefy hery amin’ny fanjakana, miziriziry amin’ny heviny.
Milaza ho modely tsara, mitady hirika hitondrana fahefana izy ireo kanefa iarahana mahita ny toe-java-misy. Mitarika ny olona handika ny lamina napetraka. Mialokaloka amin’ny resaka demokrasia sy ny zo fototra haneho hevitra sy hiteny.
Manoloana izany, niezaka ny nifehy ny hetsika ny mpitandro filaminana. Niditra an-tsehatra ihany saingy tsy nahasakana izany. Mbola afaka naneho ny heriny ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanaradia azy. Sanatrian-dresaka tsy ampy hery hoenti-mampihatra lalàna ireto izy sa efa tsy te hanatanteraka ny baiko intsony. Ilaina anefa ny fijoroana amin’ny ara-dalàna ho mariky ny maha matihanina.
Vanim-potoana izao hanehoana fa mbola miasa sy anatin’ny maha izy azy ny fanjakana ka to-teny amin’ny mpandray baiko. Efa iraha-mahita fa misy ny mararirary any anatin’ny ankolafin-kery isan-karazany any ka tsy ilaozan’izay singam-bolo handavo ny vositra.
Mila mitandrina sy mailo ny Governemanta ifarimbonana fa tsy ho mandrimandry manana aretina manoloana ny zava-misy. Ny hery rahateo tsy mahaleo ny fanahy…ny fahalalana tsy manambaka an-drafahendrena. Ny mahery tsy maody, tsy ela velona rahateo.
r.r