Misaona ny kanto malagasy : nodimandry ny andrarezina Abel Ratsimba

Mpamoron-kira, mpihira, anisan’ny ngezalahy ! Nitoeran’ny talenta tsy manam-paharoa. Tsy ho hita eny an-tsehatra intsony… Nindaosin’ny fahafatesana i Abel Ratsimba !

«Ray alina ô», «Ki­nan­jo», «Sahi­na­o», «Lasa ia­nao», «Ny foko vao nitia»… Hira anisan’ny nahafantarana an’i Abel Ratsimba. Nodimandry ny sabotsy 21 oktobra, teo amin’ny faha-86 taonany ity mpamoron-kira sady mpihira manana ny mampiavaka azy ity. Sokajin’ireo mpahay momba ny tantaran’ny hira malagasy, ao anatin’ny hiran’ ny omaly, ireo sanganasan-dRatsimba Rakotomanga Abel na Abel Ratsimba.
60 taona katroka amin’ity 2023 ity ny niakarany an-tsehatra voalohany. Taorian’ny fivoahan’ny «Sahinao» ny taona 1969, nanao tohivakana ny sanganasany vaovao. Nisy tamin’ireny ny nataony tao anaty rakikira. Anisan’izany ny kapila 33 tours «Ry Alina ô», nivoaka tamin’ny 1984 sy ny kapila mangirana mirakitra ny sanganasany maromaro nivo­aka ny taona 2012. Voarakitra ao anatin’io ilay hira «Kinanjo».

Manaja fatratra ny mpijery sy ny mpitia zavakanto
Anisan’ny nampiavaka an’i Abel Ratsimba ny fanajany fatratra ny mpijery sy ny mpitia zavakanto. Marim-potoana, mianjaika, tononkira misy ventiny sy hafatra ampitaina ao anatin’ny fanajana. Amin’ny ankapobeny, Miompana amin’ny fanehoana ny tontolon’ny fitiavana sy ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina ny tononkirany. Nampiavaka an’i Abel Ratsimba ihany koa ny fahaizany mifandray sy miserasera aman’olona. Tsy nisalasala izy ny manatona ireo namana sy olom-pantatra amin’ny fitsinjarana sy fanapariahana ary fanjifana ireo tapakila, rehefa hanao fampisehoana. Hiala anio, ao amin’ny Tranompokonolona Analakely, hoentina ao amin’ny FJKM Ankadifotsy, amin’ny 1 ora tolakandro ny nofo mangatsiakany alohan’ny hanaterana azy ao amin’ny fasan-drazany eny Ambohimanga.
Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Abel Ratsimba sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: