“Festival des livres Thrillers”: nosokafana tamin’ ny ranty sy kilalao

Fampirantiana sy lalao fifaninanana no nentina nanokatra ny “Festival des livres Thrillers” andiany faharoa, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft) Andavamamba, ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina, nanomboka ny 21 oktobra 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 31 oktobra 2023 ity hetsika lehibe ity. Mampiavaka azy ny fanehoana sy fampirantiana ireo haikanto mampatahotra.
Miavaka ny hetsika hita eny amin’ny Aft Andavamamba, manomboka ny sabotsy teo. Ho an’ny andron’ny fanokafana ny hetsika, ny fampirantiana “Ces personages qui nous font peur” no nanombohana azy, nanehoana ny sarin’ireo mpilalao horonantsary mampatahotra. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny lalao “Question pour un lecteur ». Fifaninanana natao ho an’ireo mpamaky ny boky «Stephen King», “Thilliez” ary “Giébel”.
Ankoatra izay, maro ny hetsika ara-haikanto handrafitra ny “Festival des livres Thrillers” andiany faharoa. Anisan’izany ny seho teatra «Tononkira fananganana ny maty”, an’i Avelo Nidor.

Lin

Partager sur: