Handalo an-tanindrazana… : hihaona indray amin’ny mpankafy i Hanitra Ranaivo

Ho avy, ary hiaka-tsehatra eto Antananarivo i Hanitra Ranaivo. Ny fandalovany farany teo mantsy, tsy nahatontosa fampisehoana azy manokana izy.

Hafaliana ho an’ny mpankafy ! Fantatra fa handalo indray eto an-tanindrazana i Hanitra Ra­naivo, ary ny seho hontonsainy ny alin’ny zoma izao, etsy amin’ny Piment Café Beho­ririka. Vaovao mahafaly ma­naraka : hiray sehatra aminy i Benny, amin’ny maha samy mpikambana ao amin’ny Lolo sy ny tariny azy ireo. Tsy vi­tan’izay, ho avy hanaraka an’i Hanitra koa i Jean Marc Bontemps, mpitendry gitara sy mpandrindra hira fanta-daza any Frantsa sy La Réunion izay vadin’i Hanitra ihany. Ha­nampy azy ireo hahafeno ny seho i Nini Kaolibera, amin’io. Vao tamin’ny volana mey no nandalo taty Madagasikara i Hanitra. Nifanandrify tamin’ny fotoana nanantanterahana ny «Feo sy gitara», fampisehoana goavana natokana ho an’ny vazo an-gitara izany. Niray sehatra tamin’ireo na­many mandrafitra ny Lolo sy ny tariny izy nandritra io fotoana io.
Tsy nivaona tamin’ny vazo an-gitara i Hanitra Ranaivo, na dia tsy niaraka tamin’ny Lolo sy ny tariny in­tsony aza. Raha tsiahivina ny tantara, niditra ho mpikambana vavy tokana tao amin’ny tarika i Hanitra, ny taona 1979. Manana ilay feo miavaka izay izy, ka lasa tsy ma­nam-paharoa ry «Mpivahiny», «Maninona e» ary ny «Za­karandahy». Niaraka tamin’ny Lolo sy ny tariny niondrana tany Frantsa ihany koa izy, ka anisan’ireo nisafidy ny hitady lalana eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena. Sa­rotsarotra tany am-boalohany, saingy nifikitra tamin’ny tanjony i Hanitra ka namoaka ny rakikirany voalohany ny taona 1998. «Omeko anao» ny lohatenin’ny rakikira, izay sady nanamarika ihany koa ny fiverenan’i Hanitra teo amin’ny mozika, ho an’ny mpankafy azy taty Madagasikara. Ilay rakikirany «Any aminay», nivoaka ny taona 2011 kosa no tena nentin’i Hanitra nitety tany sy hetsika maro.

Zo ny Aina

Partager sur: