« Madagascourt Film Festival, andiany faha-18 » : Malagasy 8 mpanatontosa no mandray anjara

Tanterahina eto Antanana­rivo sy any Mahajanga, ny 24 novambra 2023 hatramin’ny 2 desambra 2023, ny «Mada­gas­court Film Festival» (MFF), andiany faha-18, hetsika lehibe eo amin’ny sarimihetsika, indrindra ny sarimihetsika malagasy. Malagasy mpanatontosa miisa 8 no hita hifaninana ao anatin’ny 39 mpandray anjara, ary ahitana azy ireo avokoa ny sokajim-pifaninanana rehetra, ankoatra ny efa fandraisana anjara amin’ny fifaninanana nasionaly, izay natokana ho an’ny Malagasy mpanatontosa.
Tsy mena-mitaha amin’ireo mpanatontosa sarimihetsika aty Afrika ny eto Madaga­sikara. Ankoatra ireo efa lasa lavitra sy manana ny maha izy azy ankehitriny. Nipoitra indray ny talenta vaovao eo amin’ny fanatontosana sarimihetsika. Anisan’ny hifaninana ao anatin’ny sokajy “Panafri­can fiction competition”, mandritra ny MFF, andiany faha-18, ny sarimihetsika “Mazav’ ali­na» notontosain-dRamaho­lison Feno Mahery. Ao amin’ny sokajy “Panafrican Docu­mentary Competition” ny “Ne­ver too late”, horonantsary fanadihadian-dRandriano­meari­son Nata­niela. Ny “Rough World”, notontosain-dRandriamahaly Sitraka kosa no misolontena antsika ao amin’ny sokajy “Panafrican animation Competition”.
Manomboka liana amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, indrindra ny fanatontosana ny Malagasy. Mitohy hatrany anefa ny ezaky ny tomponandraikitra amin’ny fampiofanana sy fampivelarana azy ireo, araka ny nambaran-dRazana­ja­tovo Laza, talen’ny “Mada­gas­court Film Festival”.

Lin

Partager sur: