Mandeha miadana ny fampielezan-kevitra manerana ny lafivalon’ny Nosy, indrindra ho an’ny kandidà telo. Eny an-kianja, manohy ny fandresen-dahatra ny mpifidy ny laharana faha-3 sy ny faha-11 ary ny faha-13. Samy amin’ny paikadiny izy ireo. Raha Manao be fiavy amin’ny seho an-tsehatra sy famoriam-bahoaka ry Randrianasoloniaiko Siteny sy Rajoelina Andry, maka tsy taitra kosa Raderanirina Sendrison Daniela. Ity farany izay mitety vohitra, mamangy tanana maro mifampizara hevitra sy tetikasa.
Hatramin’izao, anatin’ny ambiansy fety ny mpanohana ny kandidà roa. Tsy mikoropaka, tsy taitaitra ilay iraika lahy.
Raha fehezina, milamina ny zotram-pifidianana amin’ny ankapobeny. Vonona ny mpiantsehatra rehetra. Tsy miova ny tetiandro. Miankina amin’ny mpandatsa-bato sisa. Ireto farany no tompon’ny lakile.
Ny hetsiky ny kandidà 11 izay tsy hita be ihany ny hiafarany dia mitohy tsikelikely eny. Rava tsy lera izany tao anatin’ny andro vitsy. Miditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Manaparitaka azy ireo noho ny hetsika tsy nahazoan-dalana. Raha ny marina, tena fanaovana tsinontsinona ny lalàna manan-kery izany. Fandrefesana ny fahefam-panjakana.
Fitoniana sy filaminana no ilain’ny vahoaka anatin’ny toe-java-misy lalovana ankehitriny. Samy tomponandraikitra feno ny tsirairay na inona firehana politika. Na izany na tsy izany mandeha moramora ny raharaham-pirenena…
r.r