Kolosaina sy fanabeazana. Tezaina sy beazina ho tia ny taranja siantifika ny vehivavy. Noho izany, hampitomboina ny isan’izy ireo. Ezahina ihany koa ny hananana fanabeazana mitovy ho an’ny rehetra. Miompana amin’ireo ny tetikasa Stem 2023-2024 (Stem : Science, technologie, ingénierie, mathématique), izay fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Unesco sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Men).
Ho an’ity taom-pianarana 2023-2024 ity, ao anatin’ny tetikasa “Stem” hatrany no hanohizan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ireo asa efa nataony (Accompagnement des établissements dans la mise en oeuvre de leur plan d’action). Ampitomboina ny isan’ny mpianatra indrindra ny vehivavy misafidy ny sokajy siantifika (kilasy 2nde mankany amin’ny 1ère). Hatsaraina ny kalitaon’ny fampianarana ny taranja siantifika (matematika, fizika sy simia, SVT, infôrmatika…)
Nomena tohana ireo sekoly voafidy
Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sekoly sy ny tetikasa “Stem”. Nomena tohana ara-bola mitentina 1 000 dolara tsirairay ny sekoly : Lycée André resampa ao Antsirabe, Lycée Andoharanofotsy, Lycée Nanisana, Lycée Andranonahoatra ary ny Lycée katolika Tsiroanomandidy.
Nisy ihany koa ireo nomena tohana fanampiana ahafahany manatsara ny kalitaon’ny fampianarana ny taranja siantifika (boky isan-karazany, polycopies…). Anisan’izany ny CEG Tsiroanomandidy, CEG Ampefiloha, CEG Antsirabe. Tanjona ny hampiakatra ny naoty azon’ny mpianatra ho 12/20 ho an’ny taranja matematika, fizika sy simia ary ny SVT.
Ankoatra ireo, fantatra fa hisy hatrany ny fidinana eny ifotony, any amin’ireo sekoly nisitraka ny tetikasa Stem ho fanaraha-maso ny fanatanterahina ity tetikasa ity.
HaRy Razafindrakoto




