Tsy mbola hitsahatra amin’ ny fiakarana an-tsehatra i Henri Ratsimbazafy. Eny, na dia efa an-taonany maro aza izy no nanambara izany, mbola mahavita ka manome fahafaham-po hatrany ireo mpankafy ity andrarezin’ny mozika ity. «Mamy indray ny miaina», hoy izy anatin’ny hirany, ary izay ihany koa no nentin’i Henri Ratsimbazafy nanamarihany ny faha-90 taonany, tamin’ity taona ity.
Na izany aza, nanambara kosa izy fa seho farany hotontosainy any Frantsa, ny hatolony rahampitso alahady, ao amin’ny Théâtre Longjumeau, Paris. Efa andro vitsivitsy izay no tonga any an-toerana ny tenany sy ireo mpanakanto hiara-dia aminy.
Fampisehoana tokana, tsy misy hafa na dia seho manokana aza, io hotontosainy ho an’ireo mpankafy azy any Frantsa io. “Efa ireto izahay tonga ato amin’ity efitra fanaovan-danonana ity, ary vonombonona miandry anareo”, hoy izy. Niara-dalana amin’i Henri Ratsimbazafy hanatontosa izany i Voahirana sy i Rija Ramanantoanina. Hanampy azy ireo any an-toerana kosa i Zo-Hely Ratsimbazafy sy i Mamy.
Zo ny Aina




