Tanterahina anio, eny amin’ ny Alliance française d’An-tananarivo (Aft Andavamamba), ny teatra hanehoana an-tsehatra ny “Tononkira fananganana amin’ny maty”, nosoratan’i Avelo Nidor. Tafiditra ao anatin’ny «Festival des livres Thrillers» andiany faharoa izy ity. Voafidy manokana amin’ izao hetsika lehibe izao ity asa soratr’i Avelo Nidor ity, noho ny maha piesy teatraly miavaka azy. Eo ihany koa ny maha hetsika fanasongadinana ireo haikanto sy literatiora somary mampatahotra ity hetsika ity.
Hifanome fotoana eny amin’ny Aft Andavamamba indray ireo mpankafy haikanto sy literatiora mampatahotra anio. Anisan’ny tena hisongadina amin’izany ny fampisehoana an-tsehatra ny piesy teatraly nosoratan’i Avelo Nidor, nampitondrainy ny lohateny hoe “Tononkira fananganana ny maty”. Maro ireo mpankafy teatra no efa miandry ny fampisehoana an-tsehatra azy ity, indrindra amin’ny maha teatra poetika azy. Ankoatra ity piesy teatraly ity, haseho anatin’izao hetsika izao ihany koa ny piesy teatraly “Les Mystères d’Octobre”, lalaovin’ny Tropy mpiangaly teatra avy ao amin’ny Lycée Jules Ferry.
Maro ireo hetsika ara-java-kanto hita mandritra ity “Festival de livres Thrillers” ity. Mbola mitohy ny fampirantiana sary sy kilalao ary fifaninanana maro samihafa, maneho ny haikanto sy literatiora mampatahotra.
Lin