Fiarovana ireo mpiaro ny zon’olombelona: maika ny fandinihana ny tolo-dalàna mifandraika

Misy ny atrikasa fampitoviana fijery eo amin’ireo firaisamonina sivily sy ny solombavambahoaka ary ny loholona miaraka amin’ireo rehetra mpisehatra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona any Antsi­ranana. Efa napetraka teny anivon’ny Antenimierampi­re­nena ny taona 2022 hodinihina sy holanin’ny solombavambahoaka ny tolo-dalàna ho fiarovana ireo mpiaro ny zon’olombelona fa mbola miandry ny fampidirana azy ho anisan’ny lahadinika isaky ny fotoam-pivoriana eny Tsimba­zaza hatramin’izao, araka ny fanazavana azo. Manantena ireo mpisehatra fa fotoana tokony hirosoan’ny solombavambahoaka amin’ny fandinihana ity tolo-dalàna ity izao. Tsy nitsahatra ny adisisika nanomboka ny taona 2020 no ho mankaty amin’ny tokony handaniana izany tolo-dalàna izany. Maro ny dinidinika efa vita toy ny natao tany Maha­janga farany teo.
Matetika iharan’ny fandrahonana amin’ny endriny maro ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny zon’olombelona rehefa misy tranga mahatohina ireo zo fototra ka hijoroan’ny mpiaro.
Mikarakara ny atrikasa any Antsiranana ny vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny zon’olombelona (CNIDH) sy ny sampandraharahan’ny OIF aty amin’ny ra­nomasimbe Indianina.

Vonjy

Partager sur: