BNGRC: Vonona amin’ny haintrano sy haintany ary ny tondradrano

Natao teny amin’ny BNGRC Antanimora, ny alakamisy teo, ny fivorian’ny komity ivondronan’ireo mpisehatra amin’ny fitantanana ny loza (Cric).
Natao tamin’izany ny tatitra mahakasika ny haintrano nisy teto Madagasikara nandritra ny taona 2017-2023. Fotoana mampirongatra ny firehetana etsy sy eroa rahateo izao. Nampahafantatra ny mety ho anton’ireny firehetana ireny ireo teknisianin’ny BNGRC. Nampahafantarina ny tanjona tokony ho tratrarina ny amin’ny hiadina amin’ny afo sy ny karazana asa hatao hiatrehana izany.
Teo koa ny fanazavana avy amin’ny foibe famantarana ny toetr’andro ny amin’ny vinavinan’ny taom-pahavaratra sy ny rotsakorana ho an’ny taona 2024. Nisongadina hatrany fa ny faritra Avaratra sy ny ilany Atsinanana dia mety hahazo rotsakorana betsaka. Ahina hiteraka tondradrano amin’ireo faritra iva izany.
Mifanohitra amin’izany kosa anefa ny amin’ny faritra Atsimo sy Andrefana, mety ho maina ka tsy ho ampy rotsakorana ka hiteraka haintany.
Ny Birao nasionaly misahana ny Fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) dia efa miomana amin’ny fepetra sy paikady rehetra, izay mifandraika amin’ny loza voajanahary, mialoha, mandritra ary aorian’ny fitrangan’ny loza. Hijery akaiky ny amin’ny fiomanana indrindra fa ny amin’ny faritra rehetra tandindonin-doza ho an’ny taona 2024 ihany koa izy ireo.
Niara-nivory namolavola ny paikady sy nanao tatitra ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, ny tale jeneralin’ny BNGRC, ary ny sekretera mpanatanteraky ny CPGU niaraka tamin’ireo mpikambana ao anatin’ny CRIC.

Tatiana A

Partager sur: