Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny fitaterana an-tariby an-tanàn-dehibe, omaly, tetsy Anosy, ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard.
Tsy tanteraka tanaty fotoana napetraka ny asa satria miankina betsaka amin’ny orinasa manao ny asa izany. Eo koa ny fepetra 17 izay iankinan’ny ain’olona ary manaja ny fenitra mba tsy hampidi-doza.
Manomboka eo amin’ny gara Anosy ny fiaingan’ny fitaterana an-tariby an-tanàn-dehibe. Hisy fiantsonan’ny fiara lehibe eo. Hisy ny toerana fividianana ny tapakila. 3 minitra no andehanana miala eo Anosy mankany Soarano. Misy ny groupe vaventy sy matanjaka afaka manodina ny teleferika raha sanatria misy ny fahatapahan-jiro.
27 ny cabines mihazo an’i Soarano miainga eo Anosy. 170 kosa ny cabines eny Soarano mankany Ankorondrano ary eo Ankorondrano indray makany Ambatobe.
Gara roa no hiaingan’ny teleferika eo Anosy. Mbola hisy teleferika mitarika mankany Andohalo sy Ankatso. Torak’ izany ny eo Ankorondrano misy gara 2 mankany Ambatobe ary ny iray mankany Soarano.
Hisy petadrindrina avokoa ireo fiantsonana rehetra amin’ny fampiasana ny teleferika. Vidin-dafo ny fotoana ka hahazo tombontsoa amin’ny fampiasana ny teleferika ny rehetra.
Mampitohy hopitaly 2 lehibe ny teleferika miainga eo Anosy. Sekoly sy orinasa ary biraom-panjakana maro ihany koa no ampifandraisin’ireo teleferika hiasa ireo.
Tatiana A




