Nomena mari-pankasitrahana avy amin’ny minisitry ny Raharaham-bahinin’ny Japana ny fikambanan’ny maintimolalin’i Japana (AAAJM ) tao amin’ny trano fonenan’ny masoivohon’ity firenena ity eto Madagasikara. Ho fankasitrahana azy ireo tamin’ny anjara biriky nentiny ho amin’ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta no antony, hoy ny fanazavana.
Niorina ny taona 1986 ny fikambanana, ahitana Malagasy nianatra, niofana na namita iraka tany Japana. Samy nahavita asa miavaka ny mpikambana tsirairay (hetsika ara-kolontsaina, tetikasam-pampianarana mifandraika amin’i Japana teto Madagasikara). Miara-miasa akaiky amin’ny masoivohon’i Japana sy ny sampandraharaha iraisam-pirenen’i Japana eto Madagasikara izy ireo. Ohatra, mandray anjara tamin’ny tetikasa famatsian-drano sy fanadiovan-drano sy ny tetikasa ekolojika ary tetikasa fanamboaran-dalana ny fikambanana. Niasa ihany koa tamin’ny fanapariahana ireo fotokevitra momba ny fomba fiasa sy fitantanana amin’ny fomba japoney.
Nanomboka ny taona 2008, nikaroka fikambanana mandray ireo tanora mpirotsaka an-tsitrapo any an-toerana izy ireo amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ary nitondra vokatra tsara amin’ny asan’ny mpilatsaka an-tsitrapo any amin’ny faritra izany.
Vonjy




