Mbola tsy ampy isa ireo dokotera veterinera eto amintsika raha oharina amin’ny filan’ny firenena amin’izao fotoana. Manodidina ny 600 eo ny dokotera veterinera ilain’i Madagasikara, araka ny fanazavan’ny Pr Rafatro Herintsoa, nandritra ny famoahana tamin’ ny fomba ofisialy ireo dokotera veterinera, ny alarobia teo. Tanjona ny hampitombo isa azy ireo fa indrindra ny hanatsarana ny kalitaon’ny fahaizany. Miroso amin’ny fampanantoniana ireo biby hanaovana fampiharana amin’ny fiompiana sy fitsaboana eny anivon’ny sekoly ihany koa ireto dokoteram-biby ireto. Fotoana hampanarahana fenitra sy fampakarana ny lentan’ny fahafahana mitsabo biby eto amintsika izany. Mifanindry an-dalana amin’izay indrindra ny fankalazana ny faha-20 taona nijoroan’ny sekoly fampiofanana dokotera veterinera izay natao ny 25, 26 sy 27 okotobra teo. Nisy, araka izany, ny fanombohana ny tetikasa “coins animaliers” teny Ambatobe, ny alakamisy teo.
Nitombo
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny sekoly ireo dokotera veterinera 160 avy amin’ny andiany Fandrefiala, Varika, Railovy ary Mazavaloha, tetsy amin’ny CCI Ivato. Manodidina ny 384 ireo dokotera veterinera eto Madagasikara hatramin’izao. Nivoaka tao amin’ny sekoly fampihofanana dokotera eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo avokoa ny antsasa-manilan’izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Henintsoa Hani