Baolina kitra : lasa mpanazatran’i Soudan Atsimo i Nicolas Dupuis

Rehefa tsy heno nandritra ny fotoana maro i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea de Madagascar teo aloha, fantatra fa nahazo fifanarahana atsy Soudan Atsimo. Izy no hitondra ny Bright stars, ekipam-pirenena eo amin’ny fifanintsanana ny «Mondial 2026».

Nambaran’ny federasi­on’ny baolina kitra Soudan Atsimo (SSFA), omaly zoma, tao amin’ny tambajotran-tseraserany fa hitondra ny ekipam-pireneny amin’ny fifanintsanana ho an’ny «Mondial 2026», i Nicolas Dupuis mpanazatra ny Barea de Madagascar teo aloha. Tontosa ny alakamisy lasa teo, tany an-toerana ny fanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta, izay haharitra 3 taona. Han­dimby ilay italianina, i Stefano Cusin, nitana izany toerana izany teo aloha, izy. Marihina fa miray vondrona amin’i Sénégal sy i Mauritanie ny Bright stars. Raha tsiahivina, nitondra ny Barea de Ma­da­gascar i Nicolas Dupuis na­nomboka ny taona 2018 ary izy no hany nahavita nitondra ny ekipam-pirenena malagasy tany amin’ny CAN, ary tonga teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny taona 2019.

Nofy ratsy ho azy kosa ny faharesena indroa misesy tamin’i Centrafrique ka nahatonga azy nesorina teo amin’izany toerana izany, ny volana marsa lasa teo, ho an’ny fifanintsanana ho an’ny CAN 2024. Nanomboka teo zara fa heno sy hita ny tenany. Nifototra tany amin’ny fitiliana ireo ankizy madinika hanatevina ny Barea Academy, ka nikarakara ny «tournoi Doritos». Baraingo izany hatramin’izao izay hanohy io tetikasa io. Ny nahitana an’i Nicolas Dupuis farany, mialoha izao nahavoatendry azy ho mpanazatra ny Bright Stars izao, ny fanatrehany ny fifidianana ny ho filohan’ny FMF sy ny fifamindram-pahefana teo amin’i Alfred R. sy i Victorien A. Nandeha tamin’izany ny feo fa mety haka ny toeran’ny tale teknika nasionaly izy saingy tsy izay no marina fa izao lasa mpanazatra ny Bright Stars, izao.

Tompondaka

Partager sur: