Ady fiady sady fitady

 

Rehefa idrikinana sy toherina fotsiny izao ny raharaha na zavatra iray na hita fa marina izao aza dia diso, tsy azo ekena, manimba. Izany ny misy sy iainana amin’izao fiatrehana fifidianana izao? Lotoina ankitsirano izay madio; avy eo, ny tena ihany no mitady fanadiovana. Korontanina tsotra izao ny lamina sy izay atao; avy eo, ny tena indray no mitabataba fandaminana. Izany no inona? Fitadiavana marimaritra iraisana lava amin’izay atao rehetra isaky ny mihetsika amin’ny hoe fifampidinihana, fizarana andraikitra, fiaraha-mitantana…
Fahazaran-dratsy na taman-dratsy? Na te hamerina hatrany ny tantara… Mandia tany naleha toy ny fanoron-dratsy: tsy mety miova, tsy vonon-kivoatra. Tsy mitady na lalam-baovao koa amin’ny fanaovana politika? Tsy lalam-baovao aza fa fanajana fotsiny ny lalàna sy ny rafitra misy, izay ady fiady sady fitady. Tsy misy ilàna fifidianana, ohatra, raha hitady marimaritra iraisana sy hifampidinika lava amin’izay atao rehetra isaky ny mihetsika. Fifidianana isan-tsehatra sy isan’ambaratonga io, fa tsy fifidianana filohan’ny Repoblika ihany.
Misy tsy mieritreritra afa-tsy ny ho filohan’ny Repoblika ireo kandidà sasany, ireo dia izay. Nefa mbola ady fiady sady fitady ny fifidianana depiote, loholona, ben’ny Tanàna… Raha misy lalàna tian’ny tena hahitsy na hovaina, ohatra, amin’ny alalan’ny parlemanta no iadiana izany, fa tsy hanakorontana lava amin’ny fitadiavana marimaritra iraisana. Mila tanjaka sy hery ary fiomanana politika izany, fa tsy fanaovana kitsapatsapa ho filohan’ny Repoblika, dia izay. Misy aza voafidy vao manangana antoko na manatevina izany. Tsy mahagaga raha inian’ny kely hery ny fanakorontana. Izay mba ady takatry ny tanjany sy ny lohany?

R. Nd.

Partager sur: