Fitaterana amin’ny taksiborosy : mila hajaina ny haavon’ny entana, 80 cm

Hentitra ny ATT amin’ny fampiharan-dalàna mahakasika ny fanajana ny bokin’andraikitra. Mila hajaina ny haavon’ny entana 80 cm ambony tafona taksiborosy hampihenana ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana.

Nampahatsiahy ny An­tokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) fa tsy azo atao ny mitondra entana miohatra ny 80 cm ny haavony eo ambony tafon’ny fiara.
Ambony ny tahan’ny loza mety hampivadika ny fiara raha tsy voahaja izany. Mitera-doza ho an’ny mpamily sy ny mpandeha.
Mandika ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana rahateo izany. Tsy manaja ny voala­zan’ny bokin’andraikitra mifehy ny asa fitateram-bahoaka. Manao tsinontsinona ny ain’olona entina ary manao zinona ny lalàna misy.
Raha tratra manao ny fandikana ny mpitatitra dia mihatra avy hatrany ny sazy. Miato ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia. Fampia­toana vonjimaika ny fahafahana mitondra fiara fitateram-bahoaka ary tsy mahazo miasa intsony amin’izany se­hatra izany.
Ho an’ny tompona fiara kosa dia sintonina anaty fotoana voafetra ny taratasy fahazoan-dalana miasa. Tsy mahazo mihetsika eo amin’ny toerana nahitana ny fandikan-dalàna ny fiara raha tsy miverina amin’ny laoniny ny haavon’ny entana hoentina.
Mahazo fampitandremana ihany koa ny kaoperativa amin’ny fampihatoana vonjimaika na maharitra ny fahafahana mangataka taratasim-panjakana anaovana asa fitateram-bahoaka.
Marihina fa taorian’ny tranga nahitana taksiborosy niloloha bajaj tamin’ny zotram-pirenena avy any Morondava ho any Toliara no nanaovana indray ny fampahatsiavana.
Tsy amin’ny zotra nasionaly ihany fa any amin’ireny lalan-tany mampifandray distrika sy kaominina ireny indrindra koa no tena ahitana tsy fanarahan-dalàna amin’ny fitateran’entana mihoapampana ambony taksiborosy. Anaty lalan-dratsy, misy tevana mampidi-doza no andehanana miaraka amin’ny entana avobe ambony fiara.

Tatiana A

Partager sur: