Hisy ny fifantenana ireo mpikambana ho ao amin’ny tambajotran’ny vehivavy afrikanina mpitarika eto Madagasikara (AWLN). Manao tan-tsoroka amin’izany ny UNFPA sy ny birao mpanatanteraka vonjimaika izany tambajotra izany.
Manentana ireo andriambavilanitra afaka handray anjara amin’ny fifantenana ireo mpikambana ireo ny UNFPA. Anisan’ny masontsivana ny fahafenoan’ny taona (miohatra ny 21 taona). Mila manana toetra mpitarika, fakan-tahaka sy modely afaka hamarinin’ny olona telo samy hafa. Manana fahalalana sy fahaiza-manao amin’ny asa ataony. Voakasik’izany ireo mpanakanto, mpanao fanatanjahantena, mpanao gazety… ary manana traikefa 5 taona raha kely indrindra.
Anisan’ny fepetra takina ihany koa ny fananana fahasahiana mijoro vavolombelona eo amin’ny fahaiza-mitarika. Mahafehy tsara ny serasera sy fiteny malagasy, frantsay… Tokony hanana vina sy ainga vao mba hampiroborobo sy ahitam-bokatra amin’ny fandraisana anjara ao anaty fahasamihafana eo amin’ny AWLN.
Ny alahady 19 novambra no fara-fandraisana ny antontan-taratasin’ireo maniry handray anjara amin’ny fifantenana.
Tatiana A




