Fampivelarana ny teny malagasy : 20 taona ny hetsika « Soratononina »

Tsy ny eto an-toerana ihany no mahatsiaro ny fahasimban’ny teny malagasy fa ny any ivelany ihany koa. Mandray andraikitra ny fikambanana Kolo Malagasy ka manatanteraka ny « Soratononina » tao anatin’izay 20 taona izay.

Taona 2002, noforonin’ Itom­pokolahy Jarisoa Rakotoarivelo sy i Mamy Randrianarivony ny Kolo Malagasy . Taona 2003, nijoro ara-dalàna ao Frantsa ny fikambanana. Tanterahina ao Paris sy any amin’ny departemanta (Frantsa) indray mandeha na indroa isan-taona ny «Soratononina». Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’izany hetsika izany ny hanatanterahina ny «Soratononina» 2023, ny sabotsy 18 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Inalco, Paris 13 ème.

Kopa-droa ny tanjona
amin’ny “Soratononina”. Fam­pitana ny fahalalana momba ny kolontsaina, zavakanto, soatoavina malagasy amin’ny alalan’ny soratononina. Fam­pi­roboroboana ny fahalalana, ny fifehezana, ny fanoratana, ny fandalinana ary fampitomboana ny fahalalana ny teny malagasy amin’ny alalan’ny lahatsoratra «Soratononina». Nohamafisin’ny mpikarakara fa: «ny « Soratononina » dia fitaovana hampitana ny haren-tsarobidy ara-kolontsaina amam-panahy maha izy ny Malagasy».

Manaraka lohahevitra
Miova isan-taona ny lohahevitra. Miainga amina rantsana kolontsaina sy zavakanto , toy ny fitafy malagasy, mozika malagasy, dihy malagasy, maritrano malagasy, hosodoko malagasy, taotrano mala­gasy, sns. Ao koa ny soatoavina amam-pahendrena mala­gasy tahaka ny fihavanana, harem-panahy, fahendrena, fomba amam-panao, sns.
Miainga amin’ny fandali­nana sy fikarohana isaky ny rantsan-kolontsaina safidina ny lohahevitra. Iaraha-miasa amin’ny teknisiana na manam-pahaizana momba ilay lohahevitra. Rehefa vita izany, miroso amin’ny fano­ratana ny mpanoratra. Ao­rian’izay, hifandrombonan’ny mpampianatra teny malagasy ny fanitsiana sy fanatsarana ny lahatsoratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: