Hanomboka ho hita eny amin’ny trano famakiana sy fivarotana boky, ny tapaky ny volana novambra 2023, ny bokin’angano «Amboaran’angano-Recueil de contes», notontosain’i Arikaomisa Randria sy i Max Razafindrainibe, niara-niasa tamin’ny edisiona Jeunes malgache. Ny kilonga madinika no tena kendrena amin’izay vokatra izay. Amin’ny teny malagasy sy frantsay ity bokin’angano ity ary nezahina ampifanarahina amin’ny zava-misy ankehitriny sy iainan’ny vondron’olona tilina, araka ny nambaran’ ny tomponandraikitra.
Mitombo iray indray ny asa soratra ahafahana manabe sy mitaiza ny ankizy. Hamoaka bokin’angano, nampitondrain’ izy ireo ny lohateny hoe “Amboaran’angano-Recueil de contes”, ao anatin’ny “Album Collector”, ny edisiona “Jeunes malgaches”. Ireo angano 5 sangany, nosoratan’i Arikaomisa Randria no hita ao anatin’ity boky ity. Angano mampita fahalalana sy fanabeazana ary fomba fiaina tsara tokony hananan’ ny ankizy. Max Razafindrainibe kosa no niangaly sy nanao ny sary ho ravaky ny boky. Boky 92 pejy, amin’ny teny malagasy sy frantsay izy ity, natao izany mba hanatrarana ny tanjona mba hahazoan’ny mpamaky fanabeazana sy fahalalana, araka ny tanjona napetraka.
Fomba iray mbola mety, ahafahana mampita fanabeazana ny angano. Mbola liana amin’izany ihany koa ny ankizy, na dia eo aza ny firoboroboan’ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra. Araka izany, tsy mikely aina ireo mpanoratra manefa ny adidy sy ny andraikiny amin’ny famokarana asa soratra sy haikanto ho fanabeazana ny kilonga madinika.
Lin




