Betsaka ny olona manatona tobim-pahasalamana tao anatin’ny herinandro noho ny aretin’ny taovam-pisefoana (IRA), araka ny zava-misy hita eny anivon’ny CSB sy ny toeram-pitsaboana eto an-drenivohitra mikarakara ny mpiasa sy ny vady aman-janany.
Ao anatin’ny fotoana mampisara-taona izao ka miovaova be ny toetry ny andro, antony mampirongatra ny karazana aretina maro. Araka ny fivoaran’ny toetry ny andro no ahafahana maminavina ny aretina mety hirongatra. Vokatry ny fiavian’ ny rotsakorana betsaka, ahina hiakatra ny tahan’ny aretina tazo sy ny fivalanana ary ny gripa.
Ny valin’ny fitiliana eny amin’ny tobim-pahasalamana sy ny hopitaly ihany no ahafahana mamaritra fa miverina indray ny valanaretina Covid-19, nefa raha ny antontanisa misy tsy mbola azo hanaporofoana izany, hoy ny tomponandraikitra iray misahana ny fahasalamana eo anivon’ny faritra Analamanga.
Tokony hanatona tobim-pahasalamana rehefa miseho ny aretina (gripa, kohaka, sery…) fa tsy manao dokotera tena satria ny mpitsabo ihany no mahalala na ilaina ny fihinanana fanafody mampiakatra ny hery fiarovana sy ny antibiotika na tsia.
Tolotra manatona vahoaka
Nohamafisiny fa mbola mitohy ny tolotra fahasalamana manakaiky vahoaka, hizahana ny fahasalamana sy hanomezana fanafody maimaimpoana ho an’ireo olona sahirana ka tsy afaka manatona eny amin’ny andavanandro. Faharoa, ny fitsidihana ny tanàna lavitry ny CSB (mihoatra ny 5 km) hitondrana tolotra fahasalamana ho an’ny mponina. Manokana roa andro isan-kerinandro ny mpiasan’ny CSB hanatanterahana izany eto Analamanga. Tanjona ny hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina, indrindra amin’ ny vanim-potoana tahaka izao. Rehefa miova ny toetry ny andro, marefo kokoa ny vatana, mahazo vahana ny otrikaretina mpanararaotra ka mila mailo.
Vonjy




