Maro amin’ireo olona manana tosidra ambony no tsy mahafantatra akory fa tokony hanara-maso akaiky ny toe-pahasalamany izy ireo. Fantara fa ny 50% amin’ireo olona manana tosidra ambony dia tsy mahatsapa izany akory, raha ny fanazavana nentin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Vokatr’izany no mahatonga ny fahatapahan’ny lalandra satria tsy manampo, tsy mitsabo.
Azo sorohina anefa ny 90% amin’ny fahatapahan’ny lalandra, raha ny fanazavana hatrany. Amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny fahasalamana matetika no hisorohana izany sy ny fananana fomba fiaina ara-pahasalamana.
Mila arahi-maso matetika ny tosidra satria ny fiakaran’ ny tosidra no antony voalohany mahatonga ny fahatapahana na fahatsentseman’ny lalandra. Raha mihoatra ny 140-90mmHG ny tosidra dia mila manatona mpitsabo avy hatrany mba tsy hitera-doza.
Mila lanjalanjaina ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola. Misakafo ara-pahasalamana ary tsy atao be sira ny sakafo. Mila mailo ihany koa amin’ny fanaraha-maso akaiky ny tahan’ny siramamy sy ny tavy ratsy anaty ra. Tokony hampiasa vatana foana isika, toy ny dia an-tongotra 30mn isan’andro raha kely indrindra.
Hajanona tanteraka ny fifohana sigara satria io no mampitombo avo roa heny ny mety hahavoazan’ny «AVC ischémique cérébral» na fahatsentsenan’ny lalandra any amin’ny loha. Tsy mifidy na lahy na vavy fa indrindra ireo efa nahazoazo taona dia tena saro-pady ny tosidra miampy ny fifohana sigara.
Tatiana A




