Fitsongoan-dia: Dahalo 28 maty, 156 voasambotra

Nahatratra 156 ireo dahalo voasambotrin’ny zandarimarian’Imerina centrale tamin’ny resaka fakana an-keriny hatramin’ny niandohan’ny taona. Miisa 28 kosa ireo lavo taorian’ny fifandonana.

N ahatratra 156 isa ireo dahalo voasambotrin’ ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina centrale hatra­min’ny niandohan’ny taona. Voasaringotra tamin’ny resaka fakana an-keriny avokoa ireo dahalo tra-tehaka ireo. Miisa 52 kosa ireo tratra ta­min’ny resaka halatr’omby tao an-toerana. Miisa enina ireo tratra tamin’ny resaka saritsarina fakana an-keriny. Tafiakatra 41 ireo malaso voasambotra tamina resaka fanafihana mitam-piadina.
Raha ny tatitra voaray, mitotaly 28 ireo lavo taorian’ ny fifandonana, isan’izany ireo maty voatifitra ny asabotsy teo tao Antsorindrambe, fokontany Antanetibe, kaominina ambanivohitra Berono­no. Anatin’ny hetsika manokana sy mametraka ny fandriam-pahalemana maharitra ao an-toerana ny zandarima­rian’Imerina centrale. Araka izany, nisy ny hetsika manokana natao afakomaly vao maraim-be. Nitohy tamin’ny fifandonana tamin’ireo malaso izany ka lavo ny roalahy. Ankehitriny misy naman’izy ireo hfaa tafaporitsaka sy karohina fatratra. Azo tany amin’ireto dahalo lavo ireto ny basim-borona miisa roa, bala 30 isa ary basy mahery vaika iray. “Tsy an’ny zandarimariam-pirenena velivevely ilay basy mahery vaika io. Araka izany, ny fanadihadiana no ahitana izay mety ho niavian’ireo fitaovam-piadina ireo”, hoy ny fanazavana voaray. Nambarany fa vao nisy naman’ireo andian-dahalo ireo roa hafa lavo rehefa nifanehitra tamin’ny zandary ny alatsinainy lasa teo.

Basy
Tao anatin’izay 11 volana izay, mitotaly 28 ireo basy notanana tsy ara-dalàna. Ao anatin’izany ny basy mahery vaika iray, basy vita gasy 15 isa. Ao koa ny basim-borona 11 isa ary basy poleta iray, raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandarimarian’Ime­rina centrale.

Mitotaly 39 ireo tompon’ andraikim-panjakana sy olon-tsotra voasaringotra tamin’ny famotsian’omby. Misy ireo misazy vokatr’izany, ao koa irao nahazo fahafahana vonjimaika amin’izany. Olon-tsotra miisa valo ireo migadra any am-ponja, delegem-panjakana kosa ny iray amin’izany. Olona miisa 30 ireo nahazo fahafahana vonjimaika ka sefom-pokontany ny telo amin’ireo, delegem-panjakana ny telo hafa, veterinera ny roa. Tafiditra amin’izany ny mpanao vaksiny iray, andrimasom-pokonolona iray raha olon-tsotra ny 20 hafa. Tao anatin’izay 11 volana izay, miisa dimy ireo jiolahy nitolo-batana, hoy hatrany ny zandarimaria.

Henintsoa Hani

Partager sur: