Be kajikajy

 

Raha tsy mahay dia mihinana am-bolony sy fanina tanteraka amin’ny tontolo politika eto Madagasikara. Ny olona noheverina ho raiamandreny, mirona mankany amin’ny ankolafin-kery iray. Tsy fantatra mazava intsony raha hambom-po diso toerana na valifaty tsotra izao amin’ny mpiray latabatra izay tsy nahafalifaly azy. Ny resaka fitiavan-tanindrazana, zary mivadika baraingo.
Manahirana ny mitsara olona, fa misy mpanao politika tsy afaka mampiseho fitiavan-tanindrazana fa manakona izany amin’ny tombontsoa manokana. Mibaribary amin’izao fotoana izao, tsy misy mijery vahoaka izany fa milalao vahoaka. Ny fon’ny vahoaka sy ny faharefony no avadika ho fitaovam-piadiana hahazoana seza sy fahefana. Ny efa manana, mitady hampitombo. Ny very seza mitady hiverina. Ny tsy mbola ao anatiny misisika mafy.
Toe-javamisy tsy maintsy hahontsana ny mahakasika izany. Zary ny madinika sy ny tsy manam-pidiny no tratry ny tian-kano sy tsy tian-kano hatrany. Manampy trotraka ny firaisamonim-pirenena sasany. Ireto farany tsy mipetraka intsony ho arofanina. Mivadika ho mpiantsehatra fototra, miandry famatsiam-bola na mpitondra teny vazaha. Misy milalao maloto ihany koa.
Tsy fantatra intsony, hoe iza no olona azo ianteherana amin’ny hoavy politikan’i Madagasikara. Zava-doza no miandry ny vahoaka amin’ny lafiny rehetra. Lasa takalonaina ilay fifidianana, hany lalan-tokana nantenaina hamarana ny olana toekarena sy ny sosialy.
Ny vahoaka tompon-tsafidy no voageja, tadiavin’ireo misora-tena ho tia tanindrazana sy miaro ny marina sy ny ara-dalàna. Olona efa maloto sy niray petsapetsa tamin’ireto lazaina fa mamingavinga lalàna ihany. Ireo tsy mena-mivadika rehefa entanin’ny fitiavantena misimisy kokoa sy be kajikajy.

r.r

Partager sur: