Manao hetsika fandidiana ny aretina katarakta mpahazo ny maso ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Association Pneumo nanomboka tamin’ity herinandro ity, eny amin’ny hopitaly CHU Anosiala. Maimaimpoana ny fandidiana ho an’ny olona nosafidiana 80 hiatrika izany. Aretina mpahazo ny maso mety hitarika amin’ny fahajambana ny katarakta ka ny fandidiana ihany no fitsaboana mifanaraka aminy. Ny olona efa nahazo taona matetika no hitrangan’ny katarakta fa mety miseho amin’ny sokajin-taona rehetra izy.
Hisahana ny fandidiana ny frantsay manam-pahaizana momba ny chirurgie vitréo-rétinienne, Dr Michel Di Nolfo, sy ny mpandidy manokana ny maso ao amin’ny CHU Anosiala, Dr Ravaka Andriambelo, miaraka amin’ireo mpitsabo maso ao amin’ny CHUJRA. « Phacoémulsification » ny teknika ampiasaina mandritra ny fandidiana. Rehefa vita ny fandidiana, miverina avy hatrany koa ny fahitana tsara eo amin’ilay olona nodidina. 10 minitra ny faharetan’ny fandidiana ary andro vitsy aoriana dia sitrana tanteraka tsy misy zaitra.
Andiany faharoa ny hetsika fandidiana maimaimpoana ny katarakta ataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanatsarana ny fahitan’ny vahoaka miaraka amin’ny tolotra manana fenitra ara-kalitao.
Vonjy A.




