Nisy fahamaizana teny amin’ny Rovan’Antsahadinta, ny alin’ny alarobia teo. Tsy nisy noraisina ny tranon-dRabodozafimanjaka sy ireo fanaka mbola voatahiry tao. Avotra kosa ny mozea sy ireo singa hafa mandrafitra ny Rova.
“Ny 1 novambra tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina, may ny tranon-dRabodozafimanjaka, vadin’ny mpanjaka Andrianampoinimerina ao anaty rovan’ Antsahadinta. Lasa lavenona koa ireo fanaka tao anatin’ny trano”. Fanambarana nataon’ny taranaka avy eny Antsahadinta io. Tonga niakatra teny an-drova vantany vao naheno ny fifampiantsoana ireo fokolonona sy ireo taranaka tsy mipetraka eny an-toerana. “Rehefa tonga tety izahay dia nanontany ny mpiambina. Efa natory izy ireo no nahare, ka nahita ny afo avy aty atsinanana. Niantso vonjy malaky tamin’ireo fokonolona, izay nifanome tanana avy hatrany. Rehefa azo antso ny ben’ny Tanàna dia izy no nampandre ny solombavambahoaka, ka nifanena tamina fiaraben’ny Jirama nitondra rano izy ireo. Soa fa nisy an’izay raha tsy izany mety tsy voafehy ny afo”, hoy ny nambaran-dramatoa Ranjakavololona Céline, taranak’Andrianampoinimerina sy Rabodozafimanjaka.
Marina fa tsy ny rova iray manontolo no may, kanefa kosa anisan’ny sarobidy amin’ny maha harem-bakoka azy ity tranon-dRabodozafimanjaka ity. “Ity tranondrazanay ity no tranainy indrindra ety. Trano kotona (trano hazo) izy io tany am-boalohany, fa nasiana biriky taty aoriana mba hitahirizana azy. May tanteraka ny trano sy izay rehetra tao anatiny, ny biriky sisa no tavela. Lasa lavenona tao ny “salon”, “buffet”, fandriana, fitaovan-dakozia, sary fahatsiarovana isan-karazany, sns”, hoy hatrany ny fanazavana.
Tsiahivina fa iray amin’ireo vohitra 12 teto Imerina i Antsahadinta. Iray tamin’ireo vadin’Andrianampoinimerina Rabodozafimanjaka, izay nonina teny an-toerana. Ahitana singa maro mandrafitra ny maha rova azy eny an-toerana, toa ny tranon’andriana, ny fasana, ny tokotany, ny manda, ny mozea, sns. Voasokajy ho harem-bako-pirenena ny toerana, na dia tsy eo ambany fiahian’ny minisitera misahana ny kolontsaina aza, fa tantanan’ny fikambanan’ireo taranaka.
“Miantso ny Fanjakana mba hanomboka avy hatrany ny fanadihadiana ka hamoaka haingana izay antony tena marina nahatonga ny fahamaizana”, hoy ny fanambaran’ny taranaka. Niakatra avy hatrany teny an-toerana, iny alina iny ihany, ny solontenam-panjakana, notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian. “Hamafisina ny fiambenana ny rova ary hampian’ny fanjakana ny fikambanan’ny taranaka amin’ny fanarenana. Ankoatra izay, hafainganina ny famatsiana herinaratra sy rano madio fisotro ho an’ny kaominina Androhibe, misy an’Antsahadinta”, hoy ny fampanantenanan’ny tomponandraiki-panjakana.
Zo ny Aina