CRAAM 10 Taona: hanomboka anio ny hetsika fankalazana

Hisokatra anio, eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny fankalazana ny faha-10 taona nijoroan’ny Centre de Ressources des Arts Actuels de Madagascar (CRAAM), eny Ankatso. Mozika, dihy, Poezia, fampirantiana haikanto, atrikasa, valandresaka ary fifampizarana no hoentina manamarika izany faha-10 taonan’ity ivontoerana ity izany. Misy ny fanajariana ny toerana eo ivelan’ny CRAAM , ho tsangambaton’izao fankalazana izao.
Hankalaza ny faha-10 taona nisiany ny CRAAM eny Ankatso, manomboka anio. Hanombohana ny fankalazana ny fitokanana ny toerana eo ivelan’ity ivontoerana ity ho toerana mahafinaritra, noravahina haikanto maroloko. Hitohy amin’ny fanokafana ny fampirantiana “Catre Blanche” izany, seho hanomezana fahafahana malalaka ireo mpahay kanto haneho ny talenta sy ny kantony. Miisa 8 izy ireo no mandray anjara amin’ity fampirantiana ity ary sary pika sy hosodoko ary haikanto vita amin’ny plastika no haseho ao anatin’izany. Fampisehoana mozika sy dihy ary poezia kosa no hanohizana ny fanokafana ny lanonam-pankalazana. Hanokatra izany ny fampisehoana mozika, andraisan’ny mpihira sy vondrona mpihira miisa 13. Ho an’ny eo amin’ny dihy, hanafana ny sehatra i Ange, Tantely Sid ary Rabefidihy. Anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’izao fankalazana izao ihany koa ny fikambanana Madagaslam, izay hanafana ny sehatra eo amin’ny lafiny poezia.

Lin

Partager sur: