TARATRY ny KANTO

“Legends live”. Eny amin’ny Espace Dera. Fotoan-dehibe ho an’ny mpankafy ny mozika rock indray ny anio alina. Hifampizara sehatra indray ny tarika Iraimbilanja sy ny tarika Tselatra, izay samy zokinjokiny amin’ity mozika ity. Ela niandrasana ny fotoana ireo mpankafy, indrindra fa natao amina efitrano mba hampifanakaiky ny rehetra izany. Hifandimby an-tsehatra, fa hisy ihany koa ny fampiaraham-peo sy talenta hataon’ireto tarika roa ireto.
Mahery, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Vao tsy ela akory no tao amin’ity toerana ity i Mahery Majika. Handrasan’ny mpankafy mozika hatrany, no manan-ko zaraina foana ihany koa ity mpanakanto ity. Manomboka amin’ny 8 ora sy sasany ny seho, hitondran’i Mahery ireo mpankafy any amin’ny tontolony. Mozika maroloko, izay iraisany tsikombakomba amin’ireo mpitendry namany izany.
Fihaonana hafakely, eny amin’ny Fara West Faravohitra. Toerana efa mahazatra ireo mpankafy mozika, indrindra ireo mirona kokoa amin’ny jazz, soul ary pop izy ity. Mpanakanto manan-katolotra avokoa no hanafana ny fotoana rahampitso sabotsy 4 novambra, amin’ny 8 ora alina: Solo Andrianasolo, Eric Rakotoary, Fabrice Cima ary Fali Rakotondrainibe.
“Itaosy Komedy Club”, eny amin’ny Le Park Bemasoandro. Andiany fahafito ary farany amin’ity taona ity no hotontosaina rahampitso sabotsy, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro… Tanora mpanao hatsikana efatra no homena sehatra amin’izany, ahitana an’i Mihora Andrianina, Tsiresy Radilofera, Tsik’Mehy ary Deds Claudio. Efa nandalo tao amin’ny IKK ihany izy ireo, ary hampiakatra namana iray vaovao, Feno Miklo.

Partager sur: