Inona no havoakan’ny anio? Hafahafa ny ambana! Misary mampatahotra sy mampihoron-koditra izany. Samy miziriziry haneho ny heriny, iretsy milaza fa tsy mila fifidianana sy ny efa manao fampielezan-kevitra. Ny andaniny efa iraha-mahalala fa tsy miraharaha fitondram-panjakana mijoro sy ny lalàna fa manao izay danin’ny kibony. Ny ankilany mampibaribary ny tanjany raha mbola eto an-drenivohitra.
Ny tena zava-doza! Nanaitra ny filazan’ny tomponandraikitry ny filaminam-bahoaka sy ny fiarovana ny Andrimpanjakana fa dia mampanahy ny anio. Efa manana vaovao ry zareo amin’ny hisian’ny andian’olona hampiasa grenady. Inona no tanjona ? Sanatrian’ny vava ve ho tonga hatrany amin’ny fandatsahana ra sy ain’olona indray ny anio ka ho sabotsy maizina indray ? Tsia tompoko, tsy mendrika izany intsony ny vahoaka malagasy, indrindra ny mponin’ Antananarivo.
Izay indrindra no hanaovana antso avo ho an’ny vahoaka madinika tsy ho tafiditra anatin’ny vela-pandriky ny mpila seza. Toraka izany ireto milaza ho lohandohan’ny mpisorona amin’ny filalaovana politika ireto. Tsy hananam-piry ny aina. Tsy ny politisianina no hiantoka ny ankohonana. Mila fandinihana lalina avy amin’ny mpomba azy ireny sao ho sendra ny patsa iray tsy omby vava.
Tsy fanadino ny tantara, firifiry ny mpitarika politika no mandao an’i Madagasikara rehefa voky ka misotro ronono, na rehefa mitari-tolona ka tsy mahomby. Tsy mena-mivadika, manavotra ny ainy sy ny vady aman-janany. Ekena fa rehefa misy ny revolisiona tiana ahatongavana, matetika mila sorona sy ra latsaka, saingy efa nilaozan’ny toetrandro ireny.
Ny tena manahirana amin’ny zava-misy ankehitriny, ireo milaza tsy tia vazaha, monina any an-dafy. Olona migalabona amin’ny volabe, manompo vazaha no mampirisika korontana sy fifamonoana aty Madagasikara. Miandry mahazo ara-bakiteny fotsiny!
r.r