Balade Mentale: hitaona ny olona hamantatra ny tenany no tanjona

Miavaka kely ny ranty atolotry ny Fondation H, ho an’ny mpitsidika azy ireo, manomboka anio. “Balade Mentale”, fampirantiana mitondra ny mpitsidika hamantatra ny tenany, amin’ny alalan’ny haikanto maro samihafa.

Misokatra manomboka anio, ary tsy hifarana raha tsy ny 25 novambra 2023, ny fampirantiana “Balade Mentale” an-dRalam­boson Arilala Ophélia, mpahay kanto, nahazo ny laharana faharoan’ny fifaninanana “Prix Paritana 2023”. Eny
amin’ny efitrano fampirantian’ ny Fondation H Ambatomena no hanatanterahina izany hetsika izany. Lamba sy vy ary tariby no anisan’ny akora ampiasaina amin’ny fanatontosana azy ity, izay anisan’ny mampiavaka azy. Tanjon’ny hetsika ny hitaona ny olona rehetra hamantatra ny tenany.

Misokatra ho an’ny rehetra ny “Balade Mentale”, eny amin’ny Fondation H. Ralam­boson Arilala Ophélia, mpahay kanto maro samihafa no naira-niasa tamin’ny fandavorariana ny fampirantiana. Misy hevitra fonosiny avokoa ireo haikanto miranty eny an-toerana. Anisan’izany ny saron-tava vita amin’ny vy, izay manambara fa tsy maintsy hipoitra hatrany ny maha izy ny olona na afenina sy arovana faran’izay mafy aza, araka ny nambaran-dRalamboson Arilala Ophélia. Ankoatra ity saron-tava ity, misy ihany koa ny haikanto aseho amin’ny alalan’ny lamba sy ny fitaratra. Ireto farany izay samy manana ny hevitra fonosiny. Ma­rihina fa laroina mozika mi­avaka, iangalian’i Mota Soa, ihany koa ity seho “Balade Mentale” ity.
“Fitaomana ny olona hiditra ao an-dohany ny “Balade mentale”, hoy Ralamboson Arilala Ophélia. Raha tsiahivina, ity no fampirantiana manokana voalohany an’ity mpahay kanto ity ny “Balade mentale”. Efa maro anefa ireo ranty nataony niaraka tamina mpahay kanto samihafa.

Lin

Partager sur: