OrMada : hikatona ny Rova rahampitso

Tsy nahazo alalana ny zaikabe kasaina hatao ao Man­jakamiadana Ny Ofisy misa­hana ny Rovan’i Madagasi­kara na ny OrMada ihany no misahana ny fitantanana ny toerana. “Ny OrMada dia tsy naharay fangatahana hanao zaikabe ety amin’ny Lapan’i Manjakamiadana, ny alahady 5 novambra ho avy izao, ary tsy nanome no tsy afaka hanome alalana na iza na iza hanao izany, amin’ny maha mozea ny toerana. Ho fitandroana ny fandriampahalemana sy ho fiarovana azy, hikatona ny Rovan’i Madagasikara ny alahady 5 novambra tontolo andro”, hoy ny fanambarana avy amin’ny OrMada. Natao ity fanambarana ity, taorian’ny nahafantarana fa nisy fifanentanana hanao zaikabe ao Manjakamiadana, rahampitso alahady 5 novambra. Fanambarana ihany koa io, izay nataon’ireo raiaman­dreny ara-drazana mitambatra, hotronin’ireo zana-drazana. Voalaza fa hetsika fanairan-kasina ny firenena no voizin’ izy ireo, taorian’ny faha­tsapana fa mirona mankany amin’ ny fifandrafiana mety hitarika any amin’ny fifamonoan’ny samy mponina ny toe-draharaha. Misolo tena sy nanao sonia ny fanambarana ny andriambe Randriamahary Hamon, avy amin’ny Anteni­mieran’ny andriana merina. Amin’ny maha mozea sy vako-pirenena azy, tsy tokony ho toerana fanaovana hetsika ara-politika, araka izany, ny Rova. Tsy maintsy handraisana fepetra hentitra ihany koa ny fiarovana azy, indrindra rehefa vanim-potoana mafanafana toa izao.

Zo ny Aina

Partager sur: