Tanora mpitarika14 mianadahy, maintimolalin’ny fandaharanasa Yali sy Atlas Corps no nandresy tamin’ny fifaninanana tetikasa “Ignite Change Award” nokarakarain’ny Chapter Madagascar, izay tarihin’ny masoivoho amerikanina.
Nahazo famatsiam-bola madinika hatramin’ny 2 000 dolara tsirairay avy ireo tetikasa voafantina ho tsara indrindra. Nahatratra 60 ireo mpifaninanana saingy 14 no tena mendrika notohanana.
Miantefa amin’ireo tanora malagasy efa nandray anjara tamin’ny programa yali sy Atlas Corps ny Ignite Change. Manohy ny fanohanana azy ireo amin’ny fahaiza-mitarika sy manohy ny fahalalana norantoviny.
Hanampy ireo tanora amin’ ny fanatanterahana ny tetikasany ny famatsiam-bola. Misehatra amin’ny tontolo iainana, ny fandrosoana ara-toekarena ary ny fametrahana tany tan-dalàna.
An’arivony kosa no hisitraka tombontsoa amin’ny fampiharana ity tetikasa ity. Hisy ny fanamafisana fahaiza-manao amin’ny fanodinana akora efa niasa, fanabeazana, zon’olombelona, fambolena, fiaraha-miasa amin’ny olompirenena…
Tatiana A




