Nitsidika ny toerana hajarina ho fanabeazana an’ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana eny Merimandroso Ivato, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Vavitsara Rahantanirina Gabriella, sy ny fikambanana 2 400 Sourires, ny herinandro teo.
Tany mirefy 9 ha hikarakarana ireo ankizy zanaky ny lalana, mirenireny eny an-dalambe mba hahazoany trano fonenana, fidirana an-tsekoly, fiseharana amin’ny zavakanto, fanaovana fanatanjahantena, fanofanana arakasa… no ao an-toerana.
Tetikasa vao hiorina ary vinavinaina hisokatra amin’ny taona 2025 ny toeram-pibeazana. Ankizy hatrany amin’ny 250 no hovolavolaina ao. Hisitraka ny fibeazana ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy izy ireo amin’izany. Fanabeazana feno sy manaraka ny fanajana ny zon’olombelona.
Miara-miasa amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy any ivelany ny toerana amin’ny famolavolana ireo ankizy ho tonga olom-banona sy mendrika eo anivon’ny fiarahamonina.
Manana sekoly momba ny ala ny fikambanana 2 400 sourires, mba ho fiarovana ny tontolo iainana sy hanomanana sahady ny hoavin’ireo ankizy. Hambolena hazo miisa 100 000 isan-taona ny toerana raha ny vina.
Marihina fa mpivady teratany frantsay, Romain Lagache sy Séverine Lagache, no manorina ny toeram-pibeazana eny Merimandroso. Nanorim-ponenana teto Madagasikara efa hatramin’ny taona 2020 izy ireo.
Ny fikambanana 2 400 Sourires dia milaza ny isan’ireo ankizy zanaky ny lalana eto Antananarivo, araka ny tatitry ny Unicef, ka nampitondraina ny anaran’ny fikambanana.
Tatiana A




